| Entry | 1 Angolangolan' ny Tanora |
| Elementary words | 2 angolangola, 3 tanora |
| Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 5 Literature: poems |
| Author |
6 Rajaonarivelo Auguste |
| Text |
7 Eny iky, ry rano manamika ery an-tsefatsefa-bato, ry lomotra maka toerana ery an-doharano!
8 Mba nikasa higoka, hono, aho, ka nangaina; nanantena handraoka ka nanjahatra. 9 Hay, iny no rivotra an-kadilanana, andraofan-tsy ahazoana, avela mitambolina ihany! 10 Hanky iny no embok' akondron' Isoamanidoka, andrasan-tsy latsaka, afoy toa hena. 11 Ka raha hikopa-damba dia ho roso moa iny ka haninona, fa ity izy misarisary zoro toa himpody, toa hiverina, no tsy zakako. 12 Mbola tia ka iavonana. 15 Tsiriry reraka sendra kamory, mody tofoka kanjo tia! 16 Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona; |
| Updated on 2025/11/17 |
|